Rakotondrazafy Justin

«Latsaka an-katerena Antanifotsy»


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy omaly fa kandida solombavambahoaka

ao amin’ny distrikan’Antanifotsy i Rakotondrazafy Justin na Zisy Fanavotana. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nofidiany hitrotroana am-bavaka izany filatsahan-kofidiana izany. Mirafitra kaominina miisa 14 ny distrikan’Antanifotsy, hoy izy. Ny ben’ny tanana miisa 11 no nisafidy ny tenako ho arotsaka ato Antanifotsy. Latsaka an-katerena ny distrikan’Antanifotsy. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny lalana izay lalan-dràn’ny kaominina. Nisy raiamandreny izao ny maraina teo (TTF : omaly maraina) no maty an-dalana noho ny tsy fisian’ny fitaterana satria tsy nahatratra hopitaly. Mampalahelo izany ary na atao hoe tsy mpanao lalana aza ny solombavambahoaka dia mba afaka mitatitra ny marary ny vahoaka sy manao lalàna mifandraika amin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Légende : Rakotondrazafy Justin mivady, notsofina rano teny Antanifotsy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT