Toekarena

Rakotoarisoa Hery Lanto - GEFP “Tokony tohanana sy ampiana ireo orinasa afaka haba”


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Tontosa omaly teny amin’ny Novotel Alarobia ny hetsika mifandraika amin’izany, notronin’ireo tompon’andraikitra maro.

Nisy araka izany ny fizaran’ity tompon’andraikitra ity ny olana sedrain’ny orinasa afaka haba eto amintsika. Anisan’ny tena nitarainany mafy ny hevitry ny fanjakana mikasika ny lalana mifehy azy ireo. Raha mahazo alalana, 2, 5 ka hatramin’ny 15 taona mantsy ireo orinasa afaka haba teo aloha dia mihena ho 1, 2 ary 10 taona izany ankehitriny izay tsy fantatra mazava ny antony. Ireo efa misy eto amintsika hoy izy tsy fantatra izay mety hiafarany, ireo te-hiditra ihany koa sahiran-tsaina. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fampihenan-ketra tokony ho azon’izy ireo nefa toa mijanona ho resabe fotsiny ary alohany toy ny mahazatra foana ihany. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny olan’ny GEFP araka izany ny filohany. Mamelona ankohonana maro mantsy ity sehatra iray ity eto amintsika ka mendrika ny hotohanana sy ampiana.
Pati
Legende : Rakotoarisoa Hery Lanto, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny GEFP
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT