Toekarena

Raiamandreny ara-drazana Tsy maintsy tafita Madagasikara


  • Talata 01 Martsa 2022

Madagasikara no firenena voalohany tokony hanan-karena indrindra raha manaja ny fahendrena sy ny soatoavina Malagasy ny tsirairay ka tsy manao tsinontsinona sy mamingavinga izany mba hanotana fady.

Diso be loatra ny fikitikitihan-javatra eto amin’ny firenena hataon’ny mpitondra nifandimby hoy izy ireo toy ny fametrahana colisée etsy amin’ny Rovan’i Manjakamiadana izay vao haingana ary tena tsy azo hatao tokoa… Tsy hipetra-potsiny intsony ireo raiamandreny ara-drazana araka izany fa hitsangana manomboka izao ary mino sy manantena fa tsy maintsy hivoaka ho mpandresy. Hisantarin’izy ireo amin’ny fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara sy ny niandohan’ny tenin-drazana izany amin’ny Sabotsy 05 Martsa ho avy izao na ilay antsoina hoe : voalohan’ny volana Adalo. Ray amandreny ara-drazana marobe no hifandimby handray fitenenana mandritra izany izay samy manana tanjona hampahafantatra ny taranaka faramandimby ny mikasika ity firenentsika ity marina. Mikasika ny fahendrena Malagasy manokana moa dia miantso ny rehetra mba tsy hifanatsikafona na hifanalabaraka anaty tambajotran-tserasera facebook ireto Raiamandreny ara-drazana ireto fa tena mampiboridana ny firenena tokoa. Mbola hitohy sy hiitatra amina hetsika maro samihafa izao fanavotam-pirenena hataon’ny fikambanana Akata sy ny Mandrangi-bato…hatao izao.
Pati

Legende : Vonona ireo raiamandreny ara-drazana ireo hamoaka ny tsiambarantelo mikasika ity firenentsika ity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT