Toekarena

Raharaha QMM Tsy raikitra ilay fihaonan’ny Filoha sy ny lehiben’ny Rio Tinto ?


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Isan’ny notaterin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 11 janoary 2023 ny tsy nanavaozana intsony ilay fepetra ara-ketra sy haban-tseranana manokana nomena ny orinasa QMM Tolagnaro nandritra ny 25 taona,

araka ny toromarika hentitry ny Filoham-pirenena. Notaterina tamin’izany, fa tsy maintsy hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao ny fanjakana Malagasy mba hitsinjovana bebe kokoa ny tombotsoan’I Madagasikara sy ny Malagasy, ka mba tena hitondra vokatsoa eto tokoa ny fitrandrahana ny harem-pirenena. Raha tsiahivina, ny 18 febroary 1998 no nanomboka nisitraka hetra sy haban-tseranana manokana ny QMM, araka ny lalàna 98-002 tamin'ny 26 janoary 1998, ka 25 taona ny faharetany ary tapitra amin'ity volana janoary 2023 ity. Noho io fahataperan’ny fe-potoana io, dia iny efa nilaza iny fa hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao ny Fanjakana. Notaterina tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra mihitsy fa hisy ny fihaonana eo amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Filoha Tale Jeneralin’ny Rio Tinto izay efa tamin’io 11 janoary io no notaterina fa ho avy eto ny 25-27 janoary. Efa niomana fatratra tamin’io hoe : hisian’ny fihaonana sy adihevitra io ny Rio Tinto satria nisy ireo delegasionin’ny QMM niazo an’i Londres nialohan’ny nahatongavan’ny mpitantana avy any amin’ny foibeny teto. Nitsidika teto Madagasikara tokoa, ary niazo ny QMM ny delegasiona nahitana ireo mpitantana ambony eo anivon’ny vondrona Rio Tinto notarihin’Atoa Dominic Barton, Filohan’ny filankevi-pitantanana ny 25-27 janoary. Ny tatitra ofisialy dia hoe : fitsidihana tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ireo toeram-pitrandrahana rehetra ao anatin’ny vondrona Rio Tinto izay tanterahin’Atoa Dominic Barton taorian’ny nandraisana ny toerany ny volana Aprily lasa teo. Fotoana ihany koa ho an’ity delegasiona ity hanatontosana fitsidihana amin’ny fomba ara-panajàna an’ireo manam-pahefana eto anivon’ny firenena sy tao Taolagnaro. Nomarihina fa tsy misy ifandraisany mivantana amin’ny fifampiraharahana mikasika ny lafiny ara-ketra sy faditseranana an’i QMM iarahana amin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Tsy teto an-toerana ny Filoha Rajoelina fa tany Dakar tamin’ny daty voatondro hifampiresahany amin’ny Lehiben’ny Rio Tinto. Tsy nisy fanazavana intsony avy eo hoe : foana sa efa vita sa nahemotra ilay fihaonana? Tsy arakaraka ny fivoizana hatramin’izay fa hiady mba tena hitondra tombotsoa ho an’ny firenena ny fitrandrahana,… Tsy maika sa tsy laharam-pahamehana indray sa mbola manomana paikady? Mitovy amin’ilay hoe: hampanao “audit” ny Fanjakana ihany, saingy tsy hita izay tohiny. Andrasana indray izany ny fivorian'ny parlemanta amin'ny volana may mety hitondrana ny volavolan-dalàna vaovao hifehy indray ny fiaraha-miasa amin’ny QMM.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT