Toekarena

Raharaha QMM Tsy raharahian’ny fanjakana


  • Alakamisy 16 Aogositra 2018

Manana petra-bola 20% ao amin’ny QMM ny fanjakana Malagasy kanefa toa mitazam-potsiny ny olana manjo ity orinasa ity. Rantsan’ny orinasa matanjaka Rio Tinto izay miasa amina firenena marobe eto ambonin’ny tany ny QMM.

Minia mangina sy toa manamoramora zavatra anefa ny fanjakana manoloana ny olana samihafa, toy ny vidina tany ifanolanany amin’ireo olona nitoetra teo, ary efa tamin’ny janoary 2018 no nanomboka ny resaka fanakanan-dalana, ary vao tsy ela no nisian’ilay sakana tsy nahafahan’ny orinasa nihodina noho ny fitokonana. Ny ao Tolagnaro anefa no kely indrindra amin’ny sampan’ny Rio Tinto, ary tsy misy dikany aminy raha mikatona io. Toa tratry ny fifanolanana hatrany anefa ity orinasa ity, ary tamin’ny tetezamita, dia efa notafihin’ny mpitondra satria nambara fa nanafina basy. Isika eto dia mailaka ny hoe mitady mpampiasa vola, ary ny fanjakana no tokony ho manamora izany, saingy io iaraha-mahita io ny olana. Toa tsy misy ny fanazana sy fandraisan’andraikitra mazava eo anatrehan’ny karazana olana miseho. Na ny ambara fa olana ara-tsiantifika noho ny fisian’ny akora mety hitera-doza aza tsy misy resaka sy fanazavana mazava, fa ny kihonohono no betsaka. Sa kosa mbola mitangirika vola hanaovana propagandy ny fanjakana, ka izy ireo mihitsy no sady mamoaka no mampiditra ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT