Toekarena

Raharaha QMM Fanaovan-tsonia telo sosona nandravonana ny disadisa


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Notanterahina ny talata 24 janoary 2023 tao Tolagnaro ny fifanaovan-tsonia fifanarahana miisa telo teo amin’ny orinasa QMM andaniny sy ireo mpanjono avy ao Hovatraha,

Andranokana, Andrakaraka, Amparihy sy ireo Kaominina Ampasy Nahampoana ary i Mandromondromotra ; sy ireo mpampiasa ireo harena voajanahary na usufruitiers avy amin’ny mpiara-monina manodidina ny toeram-pitrandrahan’i Mandena ankilany, manamarika ny fanatanterahana ireo fifampidinihana nateraky ny fifanarahana nosoniavina tamin’ny volana mey 2022. Miisa 3382 ireo usufruitiers raha miisa 2029 kosa ireo mpanjono nahafeno ireo mason-tsivana notakiana hahafahana misitraka ireo fanonerana noho ny fiantraikan’ireo asa ataon’ny QMM, ka hanakatona tanteraka izay mety ho fitarainana. "Manolotra ny fisaorana ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ny tenako tamin'ireo ezaka sy ny fahatokisana avy amin'izy ireo. Ny tanjona dia ny hifampizaràna ireo tombotsoa eo amin'ny orinasa QMM sy ireo mpiara-monina", hoy ny nambaran'Atoa Rakotomalala Ny Fanja, Filohan'ny orinasa QMM.
Nangonin'i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT