Toekarena

Raharaha orinasa AAA Tsy miditra amin’io intsony aho, hoy Ravalomanana


  • Alakamisy 26 Oktobra 2017

Efa nampanofaina amin’ny AAA io fa tsy an’ny Tiko intsony ka tsy mahazo misokatra, hoy i Marc Ravalomanana. An’ny AAA io, dia izay ataony any fa tsy miditra aho, fa avelao izy no hanao azy.

  Nambarany fa tsy manafangaro ny fitantanana raharaham-panjakana sy ny orinasam-pianakaviana ny tenany. Efa miditra lalina amin’ny resaka politika isika, ka tsy manafangaro ny orinasan’ny kaompaniam-pianakaviana sy ny fitantanana raharaham-panjakana. Tsy maintsy zaraina satria izay no fifanarahana amin’ireo mpamatsy vola sy ireo firenen-dehibe. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra kosa hampifangaroiko, hoy izy nandritra ny fampahafantarana ny ampahany amin’ny fiarabe hanadiovana an’Antananarivo, izay ny tenany no mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna. Hatreto anefa, tsy navela hisokatra ny Tiko. Mila manara-dalàna daholo, ary tokony hatao mitovy ny fitantanana fa raha tsy manara-dalàna avelao hikatona any, hoy izy. Raha tsy izay dia diso satria orinasa tokony hiasa hamokatra no hakatona. Ny resaka toekarena no tsy maintsy atao aloha mba hampandrosoana ny firenena. Ny mpamatsy vola aza anefa izao mandositra satria matahotra izy. Mino aho fa tsy dia resaka tontolo iainana no olana. Nambarany mantsy fa araka ny fifampiresahana nisy teo aminy sy ny minisitry tontolo iainana Ndaimananjara Johanita, dia fampilazana sy fampitandremana tamin'ny alalan'ny "Arrêté ministeriel" no nomena fa tsy nilaza ity minisitera ity hoe hakatony. Ny manampahefana any ifotony tany Antsirabe raha ny fanazavan'ny minisitra no nanao fanamparam-pahefana goavana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha. Ny herinandro lasa teo moa no efa nivoahan’ny resaka fa efa mandeha ny fifampidinihina amin’ny hanokafana ny Tiko AAA.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT