Raharaha Betsiboka

Nilatsaka ny didy fanesorana olona ambony


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Araka ny efa nampoizina, noraisin’ny governemanta tao anatin’ny Filankevitry ny

Minisitra ny talata 12 desambra ny didy manala ny Governoran’ny Faritra Betsiboka Atoa Andrianjafindriana Jean Roger. Tsara ny manamarika fa izy no governora voatendry farany tao anatin’izao fitondrana izao satria ny oktobra 2021 vao nisy fanendrena, saingy io nesorina io indray noho ny raharaha nahasaringotra azy. Ny tenany izay voarohirohy amina raharaha fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna, ka nampidirina am-ponja vonjimaika 09 desambra teo miaraka amin’ny sinoa miisa 12 voasambotra tao Marokoro. Ny milina sy fitaovana izay fananan’ny faritra Betsiboka no nampiasaina an-tsokosoko nitrandrahana volamena teny amin’ny reniranon’i Marokoro, ka izay no nahavoarohirohy ity governora, voaongotra tamin’ny toerany ity. Ankoatra azy, nesorina tamin’ny toerany ihany koa ny Talem-paritry ny asa vaventy ao amin’ny Faritra Betsiboka, izay mbola tsy voafaritra mazava ny antony. Na izany aza, tombanana hisy fifandraisany amin’ity afera ity. Ao anatin’ny faritanin’i Mahajanga ihany dia nesorina sy nosoloina ihany koa ny Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Mahajanga. Mbola misy ifandraisany amin’ity raharaha ity ihany koa ve ? nisy mantsy ny filazana ary tsy mbola nisy fandisoana ofisialy momba ny fampiasana mpitandro ny filaminana nanao fiambenana an’ireo sinoa sy ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna. Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany, ny avy amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, izay nampitsahatra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, saingy io mbola niverina io. Toa manamafy io, fa misy olona ambony isan-tsokajiny miaro sy miara-miombon’antoka matoa zavatra efa nakaton’ny Fanjakana no mbola niverina niodina tsy ara-dalàna indray ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT