Rafi-pitantanana mety amin’i Madagasikara

Adihevitra nandritry ny 16 taona, tsy nisy vokany…


  • Zoma 21 Martsa 2025

Azo lazaina ho adihevitra nandritr’izay 16 taona nanomboka nitantanan’ny

fitondràna Andry Rajoelina izay ny mikasika ny rafi-pitantanana tena mety amin’i Madagasikara, izany hoe tao aorian’ny fanonganam-panjakàna nitranga ny taona 2009. Isan’ny fanehoan-kevitra niverimberina ny hoe tokony nakàna lesona avokoa ny tranga niseho teo amin’ny tantara na ny taona 1947, 1972, 1991, 2002, 2009. Efa tsy miafina amin’ny rehetra fa fahaleovantena sarintsariny no nomena ny taona 1960. Isan’ny fanehoan-kevitra koa ny hoe raha navela hisafidy isika ny taona 1958 hoe hiverina amin’ny rafitra faha mpanjaka sa hiditra amin’ny rafitra repoblika dia azo antoka fa nifidy hiverina mpanjaka. Ny lalàmpanorenana nananganana ny repoblika voalohany malagasy dia dika mitovy tamin’ny an’ny repoblika voalohany frantsay ary mbola izany hatrany no tazonina hatramin’izao na teo aza ny fanintsiana andininy sasantsasany. Tao ireo nilaza fa mila miverina amin’ny rafitra fokonolona toy ny tamin’ny andron’i Ratsimandrava isika. Niforona daholo nanomboka taty amin’ny taona 2015 taty ireo karazana fikambanana sy vondrona politika milaza ho mivoy ny fanorenana ifotony tahaka ny RMTF na Rodoben’ny malagasy tia tanindrazana ho an’ny fanorenana ifotony notarihin-dry Pasitera Tsarahame Edouard sy Rainidina Rajoharison, filohan’ny antoko politika Solide. Teo koa izany hoe Antso fanavotam-pirenena na AFP notarin-dry Faniry Razafimanatany izany, indrindra, moa fa ny DFP na Dinika fanavotam-pirenena, notarihin’i Doudou na Ratolojanahary Maharavo. Hatramin’izao dia azo lazaina ho mipetraka ho ivona adihevitra politika io resaka rafitra tena mety amin’i Madagasikara io satria hoe hananantsika ny harem-pirenena samihafa na an-kibon’ny tany na an-dranomasina na ambonin’ny tany sy ny hafa ihany koa saingy olana ny eo amin’ny lafiny fitantanana izany noho ny fifehezan’ireo vahiny azy. Inona tokoa ary izany no rafi-pitantanana tena mety amin’ity Madagasikara ity? Ahoana no hahafahana mametraka izany amin’izay eto amin’ity firenena ity ary iza avy no azo itokisana hametraka azy?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Harin-karena faobe
  • Zoma 27 Novambra 2026

Niakatra 0,3% na nitaha ny

  • Toekarena,
  • Alarobia 25 Novambra 2026

diplaomasia, jeopolitika

  • Faha-100 taonan’ny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

vola taratasy voalohany

  • Toekarena
  • Zoma 20 Novambra 2026

FANOMEZANA HERY ARA-TOEKARENA NY VEHIVAVY

  • Angovo azo avy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

amin'ny masoandro

  • Hakarina ny
  • Alarobia 11 Novambra 2026

12% ny fampidiran-ketra

Hijery ny tohiny
FTT