Toekarena

Rado Ratobisaona Tsy misy politikan’ny vola ratsy fa …


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Antony iray tsy mampandroso an’i Madagasikara ny tsy fisiana politika ara-bola mazava raha ny filazan’ireo mpahay toekarena sasantsasany.

 

 Singa iray amin’ireo telo mandrafitra ny politika ara-toekarena ihany moa ity farany, hoy i Rado Ratobisaona. Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny vola mantsy ny lafiny ara-ketra sy ny sehatry ny fitantanana ny tetibola. Olana amin’ny safidy miaraka amin’ny fahaizana mampiasa azy io anefa matetika no tranga mpiseho fa tsy misy politikan’ny vola ratsy ateo. Tanjona napetraky ny mpitondra fanjakana ankehitriny eto amin’ny firenena ny fifehezana ny vidin-javatra miaraka amin’ny fitazonana ny sandan’ny vola Malagasy manoloana ireo vola vahiny fifanakalozana eo amin’ny tsena iraisampirenena dia ny «euro» sy dolara. Lesoka hita kosa hatreto ny fanaovana ankilabao ny tontolon’ny famokarana hampiakarana ny harinkarena eto Madagasikara, araka ny fanazavany. Voailikilika tsy afa-misitraka findramam-bola eny amin’ny banky, ohatra, ny sehatra tsy miankina amin’ny ankapobeny. Teboka iray goavana tsy voajerin’ny fitondrana ihany koa ny lafiny famoronana asa izay mazàna mifandraika mivantana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana eo anivon’ny firenena iray, hoy ity mpandalina ny taranja ekonomia ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT