Toekarena

Raboana Holijaona “Fanondranana entana efa vita no hanainga ny toekaren’i Madagasikara”


  • Zoma 14 Septambra 2018

Tsy ampy ny fanondranana ireo akora fototra fotsiny toy ny lavanila, ny kafe sy ny jirofo fa tokony hivarotra ny vokatra sy entana efa vita i Madagasikara, hoy ny mpahay toekarena Raboana Holijaona.

 

 

Lavaka ary fatiantoka hatrany ny an’ny Malagasy noho ny elanelana be amin’ny vidin’entana aondrana sy hafarana ary manampy trotraka hatrany ny fitotongan’ny vola Malagasy. Amin’izay dia mila mahay miainga tsara amin’ny safidin’ny politikan’ny taha-bola (politique de change) ihany koa i Madagasikara ary hanondrana ireo entana efa vita (produits finis). Rehefa niaraka tamin’ny mpamatsy vola mahazatra mantsy ny firenena Malagasy dia fepetra napetraka tamin’izany ny resaka flottement ary nanokatra ny varavarana eo amin’ny lafiny fifanakalozana. Nanambara ity filohan’ny vovonana Emergence ity fa tsy vahaolana ny fanafoanana ny tsenabe ifanakalozam-bolan’ny banky vahiny (MID) sy ny fiverenana amin’ny taha-bola tsy miovaova (taux de change fixe). Iaraha-mahita fa tsy ampy ary tsy maintsy ampitomboina be ny famokarana eto Madagasikara mba tsy hisian’ny fanafarana be loatra. Nambarany fa nampiteraka ny tsy fisian’ny entana izay nilaharana tahaka ny menaka sy ny vary ary ny arina tamin’ireny fotoana taloha ireny izany. Misy fiantraikany ratsy amin’ny vahoaka ny fanaovana ny taha-bola tsy miovaova. Misy ny politikan’ny taha-bola hafa tahaka ny eo anelanelany. Ohatra, ny taha-bola ifantenana (séléctif) izay itazonana na ampidinina amin’ny vanin’andro iray ny amin’ny zavatra hafarana. Eo ihany koa ny taha-bola tsy atao mihoatra be na midina be ny sehatra fifanakalozana. Miankina amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ihany anefa no andraisana ny fanapahan-kevitra ary manoloana izao fidangan’ny vidin-tsolika izao dia anjaran’ny fanjakana no mijery izay vahaolana mety.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT