Toekarena

QMM Tolagnaro Nitsahatra ny barazy nanakana ny mpiasa


  • Alarobia 06 Jona 2018

Nitsahatra nanomboka ny andron’ny alatsinainy teo ny fitokonana nentina nanakanana ny fidiran’ny mpiasa tao amin’ny Orinasa mpitrandraka fasimainty ao Tolagnaro dia ny QMM, raha ny vaovao azo avy any an-toerana.

Naharitra 5 andro teo ho eo izany, saingy mitohy kosa amin’izao fotoana izao ny fifampidinihana iarahan’ny mponina sy ny QMM ary ny mpitondra fanjakana any an toerana. Raha tsiahivina, dia nisy ny andian’olona manao barazy ary misakana ny lalana mankany amin’ny ozinina, ka anisan’ny olana ny resaka vola tambiny tamin’ny fakana ny tany izay ambaran’ireo mponina fa kely loatra ka tokony hamboarina, raha ny vaovao azo. Re ihany koa moa fa somary misy ifandraisany amin’ny raharaha politika sy ny krizy lalovan’ny firenena ny fanetsehana ireo olona tany an-toerana. Azo antoka fa nisy fiantraikany tamin’ny famokaran’ny orinasa, izay misahana tsena any ivelany izany. Andrasana kosa izay mety ho fanazavana ara-teknika sy ny tohin’ny fifampidinihana, ary ny mety ho fifanarahana hivahan’ny olan’ny olona sy ny QMM.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT