Toekarena

QMM Tolagnaro 4 andro izao no tsy nihodina intsony ny ozinina


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Efa ho 4 andro izao no tsy nihodina intsony ny ozinin’ny QMM mpitrandraka fasimainty ao Tolagnaro satria tsy afaka namonjy ny toeram-piasana ny mpiasa.

 

Misy ny andian’olona manao barazy ary misakana ny lalana mankany amin’ny ozinina. Raha ny angom-baovao natao dia ilay resaka vola tambiny tamin’ny fakana ny tany no olana. Kely loatra ny vola nomena anay, hoy ireto olona ireto ka takianay ny hanamboarana azy io. Re fa efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany mba hikarohana vahaolana satria tena hisy akony ratsy amin’ny orinasa ny fikatsoana. Tsy maintsy hajaina mantsy ireo kaomandina entana efa nohafaran’ny mpiara-miasa avy any ivelany kanefa mikatso ny asa eto an-toerana. Mifanandrify indrindra amin’ny savorovoro sy krizy politika misy eto amin’ny firenena no ipoiran’izao olana any Tolagnaro izao. Andrasana amin’ity fiandohan’ny herinandro ity izay mety ho fifanarahana eo amin’ireo olona manao ny fitakiana ka manao barazy sy ny mpitantana ny orinasa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT