Toekarena

Programam-panjakana PEM Notsipahin’ny mpamatsy vola an-kolaka ?


  • Talata 16 Febroary 2021

Tapaka omaly nandritra ny fivorian’ny Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) amin’i Madagasikara

 

 

 

 fa ny fanohizana hatramin’ny volana jona ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly marolafy na PMDU (Plan Multisectoriel d’Urgence Madagascar), ary aorian’izay dia ny PEM (Plan Emergence Madagascar) no drafi-pampandrosoana entina manatanteraka ireo programan’asam-panjakana rehetra. Raha hiverenana ny tenin’ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika ny 14 janoary, dia nambara fa ampahafantarina andro vitsy taorian’ny 19 janoary ny PEM, izay mbola hisy fifampidinihana amin’ny mpamatsy vola. Iray volana aty aoriana, mbola tsy nisy ny fampahafantarana izany. Nilaza Atoa Augustin Andriamananoro Tompon’andraikitra momba ny tetikasan’ny Filoha, fa efa vonona ao ny PEM, antontan-kevitra 72 pejy, saingy mety hijanona ho taratasy aloha sy antontan-kevitra nomerika, raha ny zava-misy ankehitriny no dinihina. Io indray omaly, fa nisy dinika niarahana tamin’ny PTF, saingy ny PMDU no nivoitra. Hatramin’izao, tsy nisy tohiny intsony izay fifampidinihana momba ny PEM noresahina izay, ary iny omaly iny no isan’ny fihaonan’ny mpitondra Malagasy sy ny mpamatsy vola. Nanaitra ny hoe ny PMDU aloha no ampiasaina hatramin’ny jona, ary aorian’io izany vao hisy resaka PEM ny programa hanohizana azy. Toa karazan’ny fomba firesaka fandavana ara-diplaomatika ny PEM io, rehefa halalinina ka ny fanohizana ny PMDU no azon’izy ireo hiarahana miombon’antoka sy tohanana ara-bola. Ity drafitra io, izay mazava fa mirona kokoa amin’ny fanohanana sy fanarenana ireo sehatra samihafa lasibatra tamin’ny valanaretina covid-19, fa tsy ireo noresahina ny 14 janoary, toy ny Tanà-masoandro, “autoroute” 3 miliara dolara, làlana 5 miliara dolara,... Maro ireo fanamby noresahina ao anatin’ny PEM izay tsy mazava aloha hatreto ny famatsiana sy fanohanana azy, ary raha hiandry volana jona izany efa misasaka ny taona 2021. Ny adihevitra mety mbola ho lava, ny famoaham-bola raha amin’ireo mpamatsy mahazatra mety 6 volana raha kely indrindra raha tsy resaka hamehana,… Asa ho vita ao anatin’ny roa taona sy tapany tokoa ve ny Tanà-masoandro handraisana ny lalao olympika 2023 sy ireo programa goavana noresahina ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT