Manoloana ny savorovoro politika misy eto amin’ny firenena izay tsy mahatafarina mihitsy ny toekaren’i Madagasikara dia nanatona an’i Professeur Agregé Mamy Ravelomanana (P.M.R) mpahay toekarena ny gazety Tia Tanindrazana (T.T) ny amin’ny toe-draharaha misy sy izay ho mety vahaolana ara-politika sy ara toekarena mifanandrify amin’izany.
T.T : Ho tonga eto indray i Joachim Chissano solontenan’ny vondrona iraisam-pirenena SADC sady filoham-pirenen’i Mozambika teo aloha hanao fanelanelanana. Ahoana ny hevitrao ?
P.M.R : Tafiditra anaty olana tanteraka i Madagasikara. Na izany aza dia mahagaga ny tsy hiantsoana ny olona teratany Malagasy izay manana traikefa ny amin’ny fanelanelanana. Ohatra amin’izany i Profesora Raymond Ranjeva, manampahaizana manokana amin’ny siansa politika sady efa filoha lefitra tany amin’ny tribonaly La Haye, izay nantsoina nanelanelana tamin’ny krizy tany Zimbabwe ary tena nahavaha olana. Eo ihany koa ny FFKM sy ireo izay afaka manao fanelanelanana fa tsy voatery hiandry sy hanafatra vahiny foana.
T.T : Inona no fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny fitondrana manoloana izao krizy politika izao ?
P.M.R : Mila mandray lesona ny mpitondra. Raha hijery ny tany Maorisy izao, ohatra ny fampiasan’ny filoham-pirenena “carte de credit” izay tsy azy. Izay fotsiny dia nahatonga azy hametra-pialana mba tsy hisy raorao. Raha manana fahendrena izany ireo ao amin’ny fitondrana ireo dia mandefitra ary mametra-pialana rehefa hita fa be loatra tahaka izao ny olana mba hijery ny tombontsoan’ny firenena manontolo fa tsy ny tombontsoa manokana.
T.T : Eo amin’ny lafiny ara-toekarena, inona no tena fepetra mila raisina haingana hoenti-manarina ny firenena ?
P.M.R : Miala haingana amin’ny adilahy politika. Tsy misy fampandrosoana eto raha tsy misy fitoniana politika. Amin’izay fifidianana hatao eo dia tokony ho afaka milatsaka daholo fa tsy asiana sakantsakana. Izany foana mantsy no miteraka savorovoro politika izay mamotika hatrany ny toekarena. Afaka 5 taona indray anefa vao mahatratra ny harinkarena faobe efa tokony ho tratra teo aloha rehefa misy ny krizy tahak’izao.
T.T : Inona no mahatonga ny krizy miverimberina foana eto Madagasikara ?
P.M.R : Izay tonga eo amin’ny fitondrana dia manao ampihimamba ny harena ary miezaka maka ny fitantanana rehetra (institution) tahaka ny eny amin’ny antenimierandoholona hatrany amin’ny fokontany. Mamadika ny fomba fisainan’ny Malagasy izany ary tahaka ny manao fanahy iniana mihitsy ny mpitondra kanefa ireny no mampiverina hatrany ny krizy politika. Noho izany, kely ny fanantenana ny amin’ny fampandrosoana ara-toekarena amin’izao fotoana.
T.T : Mampizarazara ny hevitry ny olona ilay tetikasa Z.E.S. Ahoana ny hevitrao ny amin’io ?
P.M.R : Raha io Z.E.S amin’io endriny io dia fandripahana (extermination) sy famadihana ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy. Mitovy hevitra tanteraka amin’ireo mpahay toekarena nahazo Prix Nobel tahaka ny Stiglitz sy Vickrey ny tenako izay nilaza hoe “aleo hijanona ho an’ny fanjakana sy ho an’ny vahoaka ihany ny tany any amin’ireo firenena andalam-pandrosoana”. Tsy mety eto amintsika io fa famonoana vahoaka.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.