Toekarena

Prix Pierre Castel Mpandraharaha 6 no nandrombaka ny amboara


  • Zoma 30 Jona 2023

Tsy mijanona ny fanohanan’ny orinasa Star ireo mpandraharaha Malagasy mba ho afaka handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireny.

Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny foiben-toerany teny Andraharo ny anaran’ireo enina mianadahy mpifaninana mendrika indrindra tamin’ilay Prix Pierre Castel nokarakarain’izy ireo ka hahazo fanohanana amin’ny tetikasa hiantsorohany. Anisan’izany ny Casava manao fanodinana mangahazo any Antsirabe sy ny Tiava manodina voanjoany Toamasina. Ireto mpifaninana roa ireto no hotolorana ilay lela-vola 15.000 euros sy 10.000 euros isanisany avy. Ireo efatra ambiny kosa mbola manam-bintana hahazoana famatsiam-bola prix jeune espoir mitentina 5.000 Euros avy toy ny toeram-piompiana Lova ao Imerintsiatosika, ny famokarana atody Micofarm, ny champignon pleurotte MG Sakay, ny huiles essentielles Moramanga ary Moli compagny mpanao cafe. Amin’ny 06 jolay ho avy izao moa no famaranana ity hetsika ho an’ny mpandraharaha Malagasy ity ka amin’io fotoana io no hanolorana ny loka ho an’ireo mpandray anjara tena mendrika indrindra.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ireo mpandraharaha 6 mianadahy omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT