Toekarena

Prix Pierre Castel Hanampiana ireo tanora mpandraharaha sangany


  • Zoma 01 Aprily 2022

Tsy misy tsara ohatra ny manangana orinasa ho an’ny tena amin’ny resaka fihariana. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny toekarem-pirenena dia afaka manampy ny mpiray tanindrazana ihany koa,

 antony hikarakaran’ny vondrona castel ilay prix Pierre Castel hanampiana ireo tanora mpandraharaha eto amintsika. Tamin’ity taona ity dia noraisin’ny orinasa Star an-tanana ny fikarakarana ny fifaninana, natokana ho an’ireo tanora Malagasy 18 ka hatramin’ny 45 taona. Tanora efa manana traikefa eo amin’ny resaka fiompiana sy fambolena no antsoina handray anjara amin’izany. Rahampitso 01 ka hatramin’ny 30 aprily kosa no hisokatra ny fisoratana anarana, andiany voalohany amin’ity hetsika ity manerana ny Nosy. Azo alefa ao amin’ny tranon-kalam-pifandraisana www.fonds.fonds-pierre-castel.org ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana vonona ny handray anjara amin’izany. Tsy misy ny vola aloha fa maimaim-poana avokoa. Aorian’ny faha-30 –n’ny volana Aprily moa dia fantatra fa hisy ny komity hatsangana handalina ny mikasika ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana tarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa Star, ny solontenan’ny Ministeran’ny fambolena ary ny indostria sy ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara. Tetikasa 6 mendrika indrindra amin’izany no hotolorana valisoa raha afaka hiatrika hohenoin’ny mpitsara lehibe tarihin’Atoa Pierre Castel hisolo tena ny firenentsika kosa ireo mendrika 2 voalohany. 15.000 Euros sy fanomezana fiofanana arahin’ny fanampiana no loka hatolotra ho an’ny voalohany, raha 10.000 Euros kosa ny an’ny faharoa. Ho an’ireo 4 farany kosa dia hahazo fiofanana momba ny fandraharahana miaraka amin’ny mari-pankasitrahana avy any amin’ny Centre de Commerce International any Genève.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny hetsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT