Toekarena

Prix jeunes espoirs » Mpandraharaha Malagasy 4 mianadahy no voaray hifaninana


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Taorian’ny andiany fahadimy nahazo ilay « Prix Pierre Castel », dia tafiditra avy hatran’ny ho isan’ireo mpandray anjara amin’ny fifaninana « Prix Jeunes Espoirs » ireo mpandresy efatra teto Madagasikara.

Taorian’ny fifantenana dia nisolo tena an’i Madagasikara ny orinasa Ny Ako.Ny « Prix jeunes Espoirs » raha tsiahivina dia fifantenana notontosain’ny Vondrona Castel sy ny mpiray ombon’antoka aminy. Ho fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny rafitra ara-pamokarana maharitra sy mahomby fa indrindra ho fanohanana ireo mpandraharaha madinika misehatra amin’izany eto Afrika no antony. Ny tanjona dia ny famporisihana ny fandraharahana amin’ny sehatry ny fambolena tsy manimba ny tontolo iainana.Ny orinasa Ny Ako any amin’ny faritra Vakinankaratra, izay tantanan’i Herilalaina Olivier Andriantsoa no nandrombaka ny amboara « Prix Jeunes Espoirs » ho an’i Madagasikara. Ny Ako kosa dia misehatra amin’ny fambolena masom-boly sy famokarana vilona ho an’ny omby vavy beronono. Afaka nisitraka fampiofanana mikasika ny fandraharana tao amin’ny « l’Ecole Supérieure d’Agronomie, Yamoussoukrou », Côte d’Ivoire ny tompon’ny orinasa ary nahazo fanarahana sy fanohanana ara-bola mitentina 1 650 € ihany koa. Araka izany, dia afaka mitondra fanavaozana amin’ny sehatra ihariany ny orinasa Ny Ako entiny hampiroboroboana ny asany. Amin’ny taona ho avy dia hiverina indray ny fifantenana « Prix Pierre Castel » sy ny « Prix Jeunes Espoirs » ho fanohanana ireo mpandraharaha malagasy sy ny sehatra ara-ekonomika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT