Toekarena

Pr Ralison Roger “Omeo sehatra ny famokarana sy fanodinana anatiny”


  • Zoma 19 Jona 2020

Misy fiantraikany amin’ny toekaren’ny firenena iray ny tsy fahampian’ny orinasa manodina ny vokatra eto an-toerana.

 

 

 

 

Tsy tokony ho variana amin’ny fananganana fotodrafitrasa, izay ao anatin’ny sehatr’asa fahatelo isika, fa mila manome vahana ny seha-pihariana laharana voalohany sy faharoa, raha ny hevitry ny Pr Ralison Roger mpahay toekarena sy fitantanana. Mila omena sehatra ny famokarana sakafo, ary ahodina eto an-toerana ny akora mba hampihena ny fiankinan-doha be loatra amin’ny any ivelany. Sady mamorona asa izany no mijanona eto ny lanja fanampiny na “valeurs ajoutés” satria ny firenen-dehibe sasany, ohatra, dia avy any Chine ny famokarana ny filàna, izay misy voka-dratsiny. Raha tsy any amin’ny sehatra voalohany sy faharoa, fa mbola hijanona amin’ny fotodrafitrasa dia tsy ho tafavoaka isika, fa mila miaraka ireo. Ny fanamboaran-dàlana no zava-dehibe mba hahafahana mamoaka ny vokatra, raha ho an’ny sehatra fahatelo. Mila hamafisina ny tosika ho an’ny Tantsaha Malagasy sy ny mpandraharaha, hoy ny Pr Ralison Roger.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT