Toekarena

Pr Ralison Roger “Haompano amin’ny sehatra fototra ny vola”


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Miiba 3% ny harin-karena amin’izao fotoana izao, ka sarotra ihany ny manarina azy. Sehatra fototra sy faharoa no tokony hanokanana vola bebe kokoa ao anatin’ny titibolam-panjakana na tsy maintsy jerena ihany koa aza ny lafiny sosialy satria tena sahirana ny vahoaka, hoy ny Mpahay Toekarena sy fitantanana Pr Ralison Roger.

 

 

Mila homena vahana ny sehatra fototra: fambolena , fiompiana, harena anaty rano. Ho an’ny sehatra faharoa kosa dia tokony homena vahana ny orinasa madinika sy salantsalany manodina ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana. Betsaka rahateo ny orinasa mikatona, ka mila jerena haingana amin’ny fananganana orinasa madinika sy salantsalany, tokony hampiana,… Raha mbola homentsika vahana foana ny sehatra fahatelo, ny sehatry ny “service”, ny fitodrafitrasa izay hanaovana “building”, kianja,… dia tsy misy antenaina. Izaho tsy miteny hoe tsy ilaina ireny, fa lmbola tsy izay no laharampahamehana.

ATSANGANO NY BANKY MALAGASY

Tokony hieritritra hanangana “Bankin’ny fampiasam-bola sy fampandrosoana ny Fanjakana. Atsangano ny Banky Malagasy, ka tsy mihoatra ny 3% ny zana-bola. Orinasa manodina fa tsy manao ara-barotra, ka ao anatin’ny herintaona tsy mamerim-bola ny mpandraharaha, fa raha ireo banky ara-barotra amin’izao tsy tafavoaka, hoy ny Pr Ralison Roger.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT