Politika, toekarena, diplaomasia

Nitondra inona ho antsika marina ny Vondrona Afrikanina ?


  • Zoma 14 Novambra 2025

Nahitsy ny Praiminisitra Malagasy

Herintsalama Rajaonarivelo nilaza ny talata teo mikasika ny fanamelohan’ny Vondrona Afrikanina antsika ka nampiatoana an’i Madagasikara tsy ho mpikambana, fa « raha vao nanao fampiatoana izy ireo, dia ohatran’ny tsy dia manaraka ny fenitra iraisam-pirenena satria ny SADC no tokony ho nijery voalohany sy namoaka fehin-kevitra, araka ny « principe de subsidiarité » ». Endrika iray hahafahana niteny, fa maika loatra tamin’ny fanamelohana ny UA, fa tsy niandry ireo ambaratongan-drafitra misy an’i Madagasikara. « Mety misy ve fitondram-panjakana efa zokinjokiny any ka matahotra ny hoe hiverina any aminy ny zavatra misy eto dia aleo tapenana aloha ny daomy ? », hoy ny Praiminisitra Malagasy. Ny Praiminisitra izay naneho fa ao anatin’ny fanajana lalàmpanorenana ny fomba fiasa, ary misy ny fanavaozana hirosoana fa tsy maintsy asiana fitohizam-pahefana ihany koa. Ny zavatra nitranga teto izay nanaraka ny lalàmpanorenana, saingy maika ny fanamelohan’ny UA, raha tsy tahaka izay no nataon’ny Firenena maro. Fa mba inona sy manao ahoana tokoa moa ny tombotsoa azon’i Madagasikara tao anatin’ny naha mpikambana antsika tao anatin’ny Vondrona Afrikanina nanomboka ny 1963 fony mbola OUA ? Tena zava-dehibe ho antsika ve io ? Nahoana ohatra i Maroc tsy mpikambana nanomboka ny 1984 ary ny 2017 vao niverina kanefa isan’ny Firenena matanjaka ara-toekerana indrindra aty Afrika ? Naato toa antsika i Burkina Faso nanomboka ny 2022 rehefa nijoro ny miaramika tarihin’ny Filohany ankehitriny Ibrahim Traoré. Niainga tany amin’ny 1,8 % no niakatra 4,9 % ny toekarena tao anatin’ny 2 taona, hany ka tafakatra 23,25 miliara dolara ny PIB na ny harin-karena faobe raha manodidina ny 19 miliara dolara ny 2022. Nanavao ny fitondrana sy ny fitantanana, ny politika ara-toekerana,… Fahaleovan-tena ara-bola. Nisintaka tamin’ny fanampiana avy amin’ny tandrefana, indrindra avy amin’i Frantsa ; nanamafy ny fahaleovan-tena ara-bola sy ny fampiasana loharanon-karena anatiny ; nanomboka tetikasa fanamboarana haingana sy fanodinana indostrialy ; nanavao ny lalana sy ny fotodrafitrasa ara angovo mba hampihenana ny fiankinana amin’ny ivelany ; nampandroso ny fambolena sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany (volamena, manganese) ; nanome lanja ny loharanon-karena eo an-toerana hanohanana ny toekarena nasionaly ; ninova ny mpiara-miombon’antoka stratetika teo amin’ny fifandraisana irasam-pîrenena,.. Niditra tao amin’ny Alliance des États du Sahel (AES) miaraka amin’i Mali sy Niger, ho an’ny paikady iombonana ara-toekarena sy ara-piarovana. Raha raisina amin’ireo, mety zava-dehibe ny maha mpikambana anatin’ny UA izay hanaovana tolona diplaomatika, saingy tsy ny maha mpikambana na tsia anatin’ny UA no zava-dehibe ho antsika, fa ny fahaizana mametraka paikady ara-politika, toekarana, diplaomasia,… hahafahana manovo tombotsoa amin’ireny hanovana ny Firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT