fanomezana sehatra ny orinasa Malagasy
Mitodika amin’ny maodely ara-toekarena mivelatra ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany ny Fitondram-panjakana Malagasy, izay nanipika tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Herintsalama Rajaonarivelo, fa malalaka ny fandraharahana eto. Misy ireo orinasa lehibe manodidina ny 50 efa nahazo toerana ela, izay nohariny amin’ny hazo lehibe efa lalina fakany, maka ny loharanon-karena rehetra: rano, tsiron’ny tany, masoandro,... Raha mitohy izany dia tsy mba hahazo toerana ny “zanakazo vaovao” na ireo orinasa vao mitsimoka. Tsy hoe handeha handrafy an’ireo goavana, fa tanjona napetraky ny governemanta ny hisian’ny orinasa 5000 vaovao mitsimoka amin’ny sehatra samihafa, manoloana ireo orinasa 50 efa manjaka hatry ny ela. Ireo orinasa madinika sy salantsalany no heverina ho motera ara-toekarena vaovao, afaka mamorona asa, mampitombo ny vokatra anatiny (PIB), ary manaparitaka ny tombontsoa ara-bola ho an’ny mponina maro kokoa. Notsindriany ihany koa fa tsy tokony hanitatra amin’ny sehatra tsy misy ifandraisany amin’ny fototra iorenany intsony ireo orinasa lehibe na hanangana « filiale », fa mba hanome sehatra ny madinika. Homena sehatra ny Malagasy hanangana orinasa mifanaraka amin’ny fahaiza-manaony sy ny fikarohana ataony, ka ny fanjakana sy ny manam-pahaizana no hanampy amin’ny fanovàna ny fikarohana ho lasa vokatra ara-barotra. Politika sy lalan-tsaina ampianarin’ny Fanjakana ny mba handraharaha, fa tsy hoe andeha hiasa amin’ny orinasa, ka nanipihan’ny Praiminisitra fa tena mazoto miasa ny Malagasy, ary izaho hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, dia isan’ny nanampy orinasa madinika toy ny hoe ahoana ny hifampiraharahana amin’ny banky sy ny mpamatsy vola. Ny tsara indrindra dia ny manampy ny Malagasy handeha hamorina orinasa, ireny avy eo no mandoa hetra. Foto-pisainana no apetraka, ary mahavita ny Malagasy, izaho tena Malagasy, hanampy ny orinasa Malagasy, rariny ho an'ny Orinasa madinika sy salantsalany,... no apetraka raha ny nambaran’ny Praiminisitra. Miala amin'ilay « système de rente » ohatran'ny café, litchi,... fa mba omena toerana ireo orinasa madinika. Mifameno tanteraka amin’ny teny nataon’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael ny faran’ny taona 2025 lasa teo io dia ny niantsoany ny tanora hivondrona sy hamolavola tetikasa io, ka vonona ny Fanjakana hanohana ara-bola izay tena maharesy lahatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.