Toekarena

Politika fampivoarana ny vehivavy Tsy hita ao anatin`ny PGE


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Niavaka tokoa ny fanolorana ny programanasa ankapoben`ny fanjakana (PGE) nataon`ny praiminisitra Ntsay Christian ary nahabe fanantenana.

 

 Mipetrapetraka ny tonon’andro sy ny tarehimarika ao anatin`ny PGE. Mahakasaika ny politika fampivoarana ny vehivavy kosa dia tsy hita mihitsy tao anatin ilay vina fampandrosoana. Ny PGE iray manontolo dia natokana ho an`ny Malagasy rehetra ary tsy tokony ho nahavahana nefa iaraha-mahalala fa tena tara ny fanomezana sehatra ho ny vehivavy amin`ny fandraisana andraikitra eto amin`ny tany sy ny fanjakana na any amin`ny sehatra fanapahan-kevitra na eo amin`ny lafiny famokarana. Misintona ny sain`ny fitondram-panjakana i Johasy Eleonore. Aiza ho aiza ny fametrahana ny tosika ho an` ny vehivavy mba ho olom-pirenena tompon’andraikitra tanteraka amin`ny fampandrosoana, hoy izy. Hita taratra aloha ny firosoan`ny fanjakana amin`ny fampandrosoana saingy misy ihany ny tokony ho famenony ary jerena akaiky amin`ny teboka maromaro, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT