Toekarena

Politika ara-bola eto Madagasikara Tokony hanatsara ny tontolon’ny fampindramam-bola


  • Zoma 15 Jona 2018

Nanapa-kevitra ny hampiakatra ny taha torolalanany (taux directeur : TD) ny banky foiben’i Etazonia (Federal Reserve System) tamin’ny alarobia 13 jona farany teo.

Tsiahivina fa fanindroany tamin’ny taona ity no nisy ny fampiakarana 0.25%. Ambany hatrany io taha io hatramin’izay ary manomboka izao dia hivoatra eo anelanelan’ny 1,25 hatramin’ny 1,5%. Hatreto aloha dia mafy hatrany ny toekarena amerikanina na dia misy aza ilay politika mikatona kokoa ataon’ny fitondrana tarihin’i D. Trump. Mbola misy koa ny tanjona ampitomboana hatrany ny harinkarena sy ny hanafoanana tanteraka ny tahan’ny tsy fiasana (taux de chômage). Manoloana izany dia nisy fivoriana nataon’ny banky foibe eoropeanina (BCE) sy ny bankin’i Japon ary ahiana ihany koa ny fampitomboana io taha io ho an’ireo firenena maromaro ireo. Raha ny momba an’i Madagasikara indray kosa dia efa ambony io TD io ary nandalo ny 8,3% nankany amin’ny 9%. Raha mbola hiakatra indray io dia vao mainka ho ambany hatrany ny ahafahana mahazo findramam-bola. Miainga amin’io taha io koa no ametrahan’ireo banky mpampindram-bola ny tahany ampiany ny tombony alainy amin’ny mpindram-bola. Tsy mahagaga raha ambony be ny zana-bola alain’izy ireo ka miteraka fahalainan’ny mpampiasa vola hanodina izany tahaka ny misy eto Madagasikara amin’izao fotoana. Antony hampiakaran’ny banky foibe an’io ny famerana ny mety ho fiakaram-bidy (inflation) kanefa tsy miantraika mihitsy amin’ny fiainam-bahoaka. Rehefa miova mantsy io taha apetraky ny banky foibe io dia manana ny azy hatrany ny banky mpampindrambola izay avo be tsy takatry ny ankamaroan’ny Malagasy ary rariny raha vitsy hatrany no misehatra amin’ny banky eto Madagasikara.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT