PHO Resto Bel'Air

Miverina misokatra, fiaingana vaovao manomboka anio


  • Zoma 01 Desambra 2023

Tena nanao izay fara hery hamerenana ny rava mba ho fanomezana fahafaham-po hatrany

ny mpanjifa efa nahatoky anay izahay, hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny trano fisakafoanana PHO Resto Bel'air. Manan-tantara ny datin'ny androany 1 desambra 2023 satria fiaingana vaovao, fahaterahana vaovao taorian'ny loza mampiahiahy nahamay tanteraka ny lakozia sy ny toerana manodidina azy tao amin'ity trano fisakafoanana ity ny alin'ny zoma 27 hifoha sabotsy 28 oktobra lasa teo. Efa nitranga moa iny, niezaka nanarina ny orinasa ka izao efa misokatra izao indray. Nahandro tena Malagasy toa ny henankisoa sy amalona, hen'omby ritra, saosisin'i sambaina no hita ao fa mbola eo ihany koa ny sakafo vahiny toa ny lasopy Pho vietnamianina,...Tsiahivina fa ny voalana septambra 2019 no nisokafan'ny PHO Resto Bel'Air, mahaka olona hatramin'ny 60. Ao anatin'ny vondron'orinasa Vidy Varotra ary tsiahivina hatrany efa hita eny Ampasamadinika, Ankorondrano, By Pass, Ivato ihany koa. Orinasa 100% Malagasy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT