Toekarena

Pêche Export Mahajanga nirehitra Adin’ny 8 vao voafehy ny afo


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Ravan'ny afo Ravan'ny afo ny orinasa Pêche export Mahajanga ny marainan'ny sabotsy 20 aogositra 2022 teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Orinasa mampiasa olona manodidina ny 460 isa ka ahitana tatsambo 300 sy mpiasa an-tanety 160 moa izy ity. Ain-dehiben’ny orinasa no potika tanteraka toy ny efitra misy ireo masinina na “salle machine”, efitra misy solosaina na “salle informatique”, efitra fampangatsiahana na “chambres froides”, laboratoara sy ny maro hafa ankoatra ireo ampaham-bokatra notehirizina tao. Nifandrimbonan'ny mpamonjy voinan'ny kaominina, ny faritra Boeny ary ny ASECNA ny famonoana afo. Nanomboka tamin'ny 3 ora maraina hatramin'ny 11 ora atoandro vao nanomboka voafehy. Tsy maintsy hisy fiantraikany lehibe amin'ny toekarena, araka izany, ny fahamaizan'ity orinasa mamelona fianakaviana marobe ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT