Toekarena

Pavillon vaovao - Esplanade Analakely Ho vita amin’ny faran’ny volana novambra ny asa


  • Alarobia 18 Oktobra 2017

Ny 90 %-n’ny asa fanamboarana ireo pavillon vaovao etsy amin’ny esplanade Analakely amin’izao fotoana no efa vita tanteraka. Mandalotra sy mandoko ireo efitrano miisa 33 sisa no asa hiantsorohan’ireo tompon’andraikitra misahana izany, araka ny vaovao azo teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Ezahina hovitaina amin’ny faran’ny volana novambra ny asa ka ireo mpivarotra nifanaiky tamin’ny kaominina fa hanamboatra ny tsena  no hahazo ny toerana ary aorian’ny fahavitan’ny vola lanin’izy ireo  vao hiverina handoa haban-tsena sy hofan-tsena amin’ny kaominina izy ireo. Ankoatra ity esplanade etsy Analakely ity moa dia efa miroso ihany koa ny asa fanamboarana  ireo tsena vaovao eny Anosibe, ao anatin’ny Boriborintany fahefatra.  Mbola eo an-dalam-piketrehana  ny ao ambadiky ny tsenan’Ankatso kosa ny kaominina ankehitriny hahafahana manome toerana ara-dalàna ny mpivarotra rehetra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT