Toekarena

Paul Rabary “Tsy fananana Euro sy Dolara betsaka no olantsika izao”


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Tsy hitombona mihitsy ny hoe foanana ny MID dia hivaha ny olana eto Madagasikara, hoy ny mpahaifiarahamonina politika Paul Rabary,

raha nandre ny fanangonan-tsonia ataona kandida ho filoham-pirenena teo aloha hampanekena izany ho vahaolana amin’ny fiainam-pirenena ankehitriny ho entina eo amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Mpahaifiarahamonina aho fa tsy mpahaitoekarena no miteny izany satria tsy azo ferana, hoy izy, ny sandam-bola. Raha vitantsika ny nametra ny fiakaran’ny vidim-piainana dia efa natao. Ny sandam-bola dia maridrefin’ny lanjan’ny ekonomianao. Misy ny atao hoe “Marché international” mametra ny fiakarana sy ny vidin’ny vola rehetra eto ambonin’ny tany. Ny Dolara mitaha amin’ny Euro. Ny Euro amin’ny Dolara. Dolara amin’ny Yen. Ny Rouble amin’ny Dolara sy ny hafa rehetra. Ny dikan’izay dia tsy hatanjaka mihitsy ny volanao raha mbola tsy matanjaka ny toekarenao. Raha haka maripana izany, ohatra, isika ka 49 degré ianao dia hoy ianao hoe aza alaina ilay maripana fa aleo tazomina tsy hihoatran’ny 37 degré. Tsy midika izany fa tsy manavy ianao saingy ianao izany tsy mahita afa-tsy 37 degré. Nanao “politique d’ajustement structurel” Ratsiraka ny taona 1975 hatramin’ny 1980 dia niharana fitotonganam-bola avy eo. Tsy isika no mametra ny vidin’ny vola malagasy. 0 ny sandan’ny vola Ariary raha entinao any an-dafy. Raha iharana fidangam-bidim-piainana 5, 10, 15% isika izao ka hampiharina izany hoe fanafoanana ny MID sy ny tariny izany dia ho 1000% ny fiakarana satria tsy afaka mividy na mofo dipaina iray amina vola 20.000 Ariary aza aho any an-dafy. Tsy miasa any an-dafy ny Ariary fa raha aty ianao mitondra Euro dia raisin’ny olona. Misy lanjany ny volan’olona fa ny anao tsy misy no dikan’izay. Tsy maintsy atakalonao Euro na Dolara izany ilay Ariary rehefa eo amin’ny tsena iraisampirenena. Izay ilay hoe “Marché interbancaire de devise” na MID. Izay manana Euro mitondra ny azy eo amin’ny MID dia izay manana Ariary mividy ao amin’ny MID. Rehefa betsaka ny Euro sy Dolara ao amin’ny MID dia miakatra ho azy ny Ariary. Rehefa kely ireo dia midina ny Ariary. Ohatran’ny hoe niakatra ambony be 1000 Ariary ny vidin’ny voasary makirana raha vao nanomboka ny fihibohana satria nifampitadiavana. Nony nahita fomba hafa ny olona dia io fa 100 Ariary indray izao dia mahazo. Tonga eo amin’ny MID ianao ka betsaka ny Euro avy amin’ny fizahantany, fanondranana entana, mpamatsy vola dia vidian’ny mpanondrana entana io. Raha ho foananao ny MID, aiza ianao no hahita Euro? Azonao fehezina ambony latabatra hoe 1Euro=200 Ariary fa aiza ianao no hahita Euro? Ny tsy fananana Euro sy Dolara betsaka no olantsika izao. Jereo ny ataon’ny Poutine. Nogiazan’ny tandrefana ny tahirina Dolaran’I Rosia tany amin’ny banky foibe dia ny vahaolany rehefa nitotonga vokatr’io ny Rouble dia hoy izy hoe tsy maintsy alohanareo amin’ny Rouble ny entanay rehetra na Entona na Solitany fa izy tsy niteny hoe aleo izahay hiala amin’ny MID, hoy hatrany ity mpahaifiarahamonina ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT