Toekarena

Paty, savony, bodofotsy avy any ivelany Hotataovana haban-tseranana


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Hanomboka ny talata 15 janoary ho avy izao dia hotataovana haban-tseranana ny fanafarana paty, savony ary ny bodofotsy avy any ivelany, hoy ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) tamin’ny sabotsy 12 janoary lasa teo tetsy amin’ny foiben-toerany Antanimena.

 

 

 

 Fanadihadiana natao tamin’ny volana septambra hatramin’ny 31 desambra teo ary namoahana ny fanapahan-kevitra ka hampiharina vonjimaika ny fepetra momba ny fanafarana ireo entana ireo. Nojerena tsirairay ireo entana ireo ka ny amin’ny paty dia misy ny fanatataovana ny haban-tseranana ho 30%, ny vovo-tsavony 39%  ary ny bodofotsy kosa dia  41%.  Nanazava ny teo anivon’ny ANMCC  fa antony nandraisana izao fanapahan-kevitra  izao ny fitarainana voaray avy amin’ny orinasa Malagasy ny amin’ny fitobahan’ny entana be loatra avy any ivelany. Miteraka fahavoazana amin’ny orinasa eto an-toerana izany ary tena mahatonga fatiantoka amin’izy ireo ny zava-mitranga. Mora be mantsy ny vidin’ireo entana ireo eny an-tsena ka miteraka fahasahiranana ho an’ny orinasa Malagasy ary tena mamono ny  mpamokatra eto an-toerana mihitsy. Rehefa nataon’ny ANMCC ny fanadihadiana dia tena mitombina tokoa ny fitarainan’ireo orinasa Malagasy ka izany no tsy maintsy nandraisana fanapahan-kevitra. Voamarina fa ambany be ny vidin’ireo vokatra tonga avy any ivelany ireo raha oharina fotsiny amin’ny masonkarenan’ireo vokatra vita eto Madagasikara. Noho izay no nanaovan’ny ANMCC ny kajikajy ahafahana mampitovy lenta amin’ny fifaninanana misy amin’ny vokatra hafarana avy any ivelany sy ny avy eto an-toerana. Raha ny antontan’isa sy ny porofo izay eo am-pelatanany dia nanambara izy ireo fa tsy tokony hisy fiantraikany firy amin’ny vidin’ireo entana avy any ivelany ireo ny fanatataovana haban-tseranana natao. Miainga amin’ny fijerena ny faktiora anaovana fanambarana any amin’ny fadin-tseranana sy ny haban-tseranana tokony haloan’ireo vokatra avy any ivelany ireo ny kajikajy natao ka mitombina tsara ireo isan-jato ireo. Mampahazo aina ny orinasa sy ny mpamokatra eto an-toerana ny karazana fepetra sahala amin’itony ary tena tokony hotohizana sy hitarina amin’ireo vokatra hafa avy any ivelany mitobaka be.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT