Toekarena

Paositra Malagasy Hiompana amin`ny asa fandraharahana ara-bola


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Nandray ny asany ny tale jeneraly vaovaon`ny Paositra Malagasy (PTT), Ranarison Richard, izay eo anivon`ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN).

 

 

 

 Ny Paositra Malagasy dia  hita avokoa manerana ny nosy kanefa mila miasa araka ny ilain`ny mpanjifa azy mba ho reharehan`ny rehetra. Io no vina vaovao napetraky ny tale jeneralin`ny paositra vaovao Ranarison Richard. Maro ireo paikady hampiharina hametrahana izany ka hiompana amin`ny asa fandraharahana ara-bola ny fandaharan`asany: ny fandefasam-bola any ivelay na eto an-toerana, ny tahiry, ny fiantohana, … anisan`ny asa izay ataon`ny paositra izany. Manana “transfert d`argent electronique” i Madagasikara ka afaka manamora ny fandefasam-bola amin`ny any ivelany. Ho reharehan`i Madagasikara sy ny firenen-kafa ny paositra Malagasy satria ny PTT no misolo tena ny banky any amin`ny faritra izay ambanivohitra indrindra. Fanamby ny hisian`ny famarinan-toerana ara-bola (equilibre financier) tanteraka eo anivon`ny paositra amin`ny taona 2021. Mitaky ezaka sy fifanomezan-tanana ireo rantsamangaika manerana ny nosy sy ny tale vaovao hitantana ny paositra Malagasy mba hiaraka hanatratra ireo vina sy fanamby ireo. Nilaza Ranarison Richard fa hanao izay faraheriny rehetra hampandrosoana ny paositra Malagasy ka sady ho reharehan’ny mpiasa no reharehan’ny vahoaka mihitsy ny fananana ity orinasa ity. Marihana fa tsy nahazo rariny teo anivon`ny filankevi-panjakana ny fitoriana napetraky ny tale jeneraly teo aloha, Augustin Nirina Rakotomalala, mikasika ny fanendrena ity tale vaovao ity.

Legende: Ranarison Richard, tale jeneraly vaovaon`ny Paositra Malagasy nandritra ny famelabelarany ny paikady hanarenana ity orinasam-panjakana ity omaly

Marigny A.

 

 

 

 

ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) ny fifamindram-pahefana tamin’ny Tale jeneraly teo aloha, Augustin Nirina Rakotomalala sy ny vaovao, Ranarison Richard

Nolavin`ny fitoriana eo anivon’ny Filankevi-panjakana

Nandray ny asany kosa ny tale jeneraly vaovaon`ny paositra Malagasy

Eo koa ny fandefasam-bola eto an-toerana sy any ivelany

Raha manan Havana any ivelany andefasana vola dia afaka mandefa vola izao dia izao

 

Taorian’ny fanendrena ny tale jeneralin’ny paositra malagasy vaovao tamin’ity herinandro ity dia nitondra fanazavana mahakasika izany ny tale jeneraly teo aloha, Rakotomalala Nirina Augustin. Nanao fanambarana ny tenany fa tsy ekeny ny tsy fanarahan-dalàna izay mibaribary ankehitriny mikasika io fanendrena ny Tale jeneraly vaovao io ka nahatonga azy nametraka ny fitoriana eo anivon’ny Filankevi-panjakana izay fahefana mahefa.

efa niasa nandritra ny 30 taona latsaka kely tao ary tena mahafantatra tsara ny paositra Malagasy, hoy ireo tompon’andraikitra ka tsy atoro voanjo hadiana. Nametra-pialana tsy ho mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana moa ity farany vao nandray ny andraikiny omaly ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT