Toekarena

Paikadin’ny AGOA 2022-2025 Nanampy an’I Madagasikara I Etazonia


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Nanampy an’i Madagasikara amin’ny fandrafetana ny paikadin’ny AGOA 2022-2025

Mivonona ny hanohana ny governemanta Malagasy sy ny sehatra tsy miankina, amin'ny alalan'ny African Growth and Opportunity Act (AGOA), ny governemanta amerikanina, araka ny fanamafisana nataon’ny Masoivohony eto Madagasikara. Raha fintinina, fanomezan-dalana ny firenena Afrikanina hanondrana any Etazonia tsy mandoa haban-tseranana na “taxes douanières” ny tsenan’ny AGOA. Antony ahafahantsika misitraka an’io ny fahitana taratra ny mety ho fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fanondranana entana, sy ny fanatsarana ny fanamorana ny fandraharahana eto Madagasikara. Ny toe-karena ara-barotra matanjaka dia afaka manampy amin'ny fampivoarana ny toe-karena sy manohana ny famoronana asa eto Madagasikara, ary manampy amin'ny fanatsarana ny fari-piainan'ny tokantrano manerana ny firenena, hoy hatrany ny Amerikanina. Mikendry ny hampitomboana ny tahan'ny fanondranana entana isan-karazany avy eto Madagasikara, mankany Etazonia ny paikady nasionaly AGOA nasiam-panavaozana, ary tsindrina manokana amin'izany ny sakafo, ny lamba sy ny akanjo, ny ento-menaka ary ny asa tànana. Nanampy an’i Madagasikara amin’ny fandrafetana ny paikadin’ny AGOA, ho an’ny taona 2022-2025, ny governemanta amerikanina, izay manoro hevitra ny hampidirana ireo indostria vaovao, toy ny famokarana sakafo sy ny asa tànana, ho laharam-pahamehana hafa toy ny lamba, hoy hatrany tatitra. Tsara ny mampahatsiahy, fa taorian’ny fanonam-panjakana 2009 no isan’ny nahatapaka na nampitsipozipozy ny fisitrahantsika ny tsenan’ny AGOA.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT