Toekarena

Ozinina Ambatovy Notsidihina masoivoho miisa 4


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Lim Sang-Woo, masoivohon’i Korea Atsimo, Christophe Bouchard, masoivohon’i Frantsa, Michael P. Pelletier, Etazonia ary ny lehiben’ny birao ao amin’ny masoivohon’i Norvezy, Andreas Danevad,

 no indray nitsidika ny ozinina Ambatovy ny alatsinainy 3 janoary 2020 teo. Nampahafantatra fohifohy ny ambangovangon’ny fihodin’Ambatovy tamin’ireto vahiny ireto moa ny filohan’Ambatovy, Stuart Macnaugthaun. Ny mikasika ny fitrandrahany Nikela sy Kaobalita izay mampiavaka azy, raha ny fanazavana, dia izy iray tsy mivaky amin’ny fitrandrahana tanterahana manontolo eto Madagasikara ary mitondra vokatsoa miavaka eo amin’ny toekarena izay fitrandrahana ka hatramin’ny fandiovana atao eto Madagasikara avokoa izay. Nitohy ny fitetezana ity ozinina manana velaran-tany 320ha ity ary anisan’ny notsidihan’ireto masoivoho ireto ny toerana misy ny milina fanodinana ireo vokatra na “raffinerie”. Fampiasam-bola fakan-tahaka i Ambatovy, hoy ny masoivoho koreanina. Ilaina ny fisian’ny fifanarahana tsara eo amin’ny governemanta Malagasy sy ny orinasa avy any ivelany, hoy ny frantsay. Nahaliana ahy ny fahitana ny maha zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny sehatra tsy miankina amin’ny fampandrosoana, hoy kosa ny amerikanina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT