Toekarena

Orinasa Tozzi Green Mitsinjo ny toekarena eny ifotony


  • Sabotsy 02 Febroary 2019

Mila miainga eny ifotony ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Saika mitodika amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eny ifotony ny antom-pisian’ny orinasa italiana Tozzi Green.

 

3600 ny asa teraka isan-taona any amin’ny faritra atsimo andrefana noho ny fisian’io orinasa io. Fotodrafitrasa tena ilain’ny mponina any an-toerana hatrany ihany koa no ezahin’ny orinasa Tozzi Green atao. Anisany ny nametrahana tobim-pahasalamana mandray ireo tambanivohitra maimaimpoana nanomboka tamin’ny taona 2012. Marary miisa 120 000 no notsaboina ary ankizy 16 000 latsaky ny 5 taona no noraisina an-tanana tanteraka ny fiainany. Ankoatra izay, ankizy 850 no naiditra tamin’ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa tany amin’ny fokontanin’i Satrokala sy Andiolava. Ho fitsinjovana hatrany ny fampandrosoana any amin’ireo faritra ireo dia nasiana ihany koa ny paompy izay manome rano fisotro madio hatrany amin’ny 4300 m³ isan-taona. Miantsehatra amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny angovo ihany koa ny orinasa Tozzi Green ka hisy hatrany ny ezaka ny amin’ny fampidiran-jiro any amin’ny tontolo ambanivohitra, indrindra ireo mitoka-monina. Ny amin’ny angovo azo havaozina dia misy ireo tobim-pamokarana 3 miainga amin’ny rihan-drano (centrales hydroélectriques) ao Sahanivotry sy Maroantsetra ary Farahantsana Mahitsy izay tombanana hamoaka herinaratra hatrany amin’ny 16MW, 2,4MW ary 28 MW.  Ny sehatra fambolena dia tsy nataony ambanin-javatra ka izany no mahatonga an’io orinasa io hilofo hampandroso ny voly katsaka amina tany mirefy 7000 ha. Tanjona ny hampandrosoana ifotony ny amin’ireny toerana mitoka-monina any ambanivohitra ireny mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena. Raha maromaro fotsiny no manao ezaka sahala amin’izao dia haingana be ny fampiroboroboana eny ifotony hanainga ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT