Toekarena

Orinasa TIKO Hakaton’ny fanjakana ?


  • Alakamisy 05 Oktobra 2017

Resaka nandeha be omaly hariva teto an-drenivohitra ny fanakatonana ny orinasa Tiko naorin’i Marc Ravalomanana. Araka ny voalaza dia fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny komity manokana ivondronana minisitera maromaro izy io.

Resaka nandeha be omaly hariva teto an-drenivohitra ny fanakatonana ny orinasa Tiko naorin’i Marc Ravalomanana. Araka ny voalaza dia fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny komity manokana ivondronana minisitera maromaro izy io. Tsy nahitana fanambarana ofisialy momba izany anefa ny tatitry ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly. Nezahana ihany koa ny nanontany ny teo anivon’ny tompon’andraikitry ny Tiko fa tsy nahazoana valiny manamarina na mandiso io resaka io. Voalazan’ny loharanom-baovao moa fa anton’ny fanakatonana ny tsy fahatomombanan’ny fahazoan-dalana amin’ny fanajana ny tontolo iainana (permis environnemental) sy ny fanamarinana ny maha azo antoka ny entana vokarin’ny Tiko ary ny ahiahy amin’ny rano ampiasainy. Andrasana anio ny fivoaran’ny toe-draharaha, ary azo antoka fa hibahan-toerana eo amin’ny adihevitra etsy sy eroa indray ity resaka Tiko ity. Efa nanomboka niparitaka manerana ny nosy mantsy ireo vokatra isan-karazany ary tena ankafizin’ny mpanjifa sy hita eny amin’ny mpivarotra maro.Miandry ny marina amin’ny fanambarana ofisialy ny rehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT