Toekarena

Orinasa Telma Nahatsangana tranombarotra miisa 68


  • Zoma 28 Desambra 2018

Namoaka ny tomban’ezaka vitany tao anatin’izao taona 2018 izao omaly ny avy eo anivon’ny orinasam-pifandraisana Telma. Isan’ny zava-dehibe tontosa tamin’ity taona ity, raha ny fanazavana, ny fitsanganana tranombarotra na Shop Telma miisa 68 manerana an’i Madagasikara.

 

Ny Shop eny Antanimena sy Ambohipo moa no faha 25 sy 26 tafatsangana farany teto Antananarivo. Ny Shop Akasya izay miorina amin’iny lalana makany amin’ny seranam-piaramanidin’i Mahajanga iny kosa no faha 5 amin’ireo naorina tany amin’ity renivohi-paritany ity. Ny fitsanganan’ireny tranombarotra Telma ireny, hoy ny tomponandraikitra no nanavao hatrany ny fampifandraisana ireo mpanjifan’ity tambazotran-tserasera iray ity. Na teo amin’ny tolotra eo amin’ny antso izany na tambazotra aterineto. Ny internet 4G très haut débit sy ny tolotra M vola koa ao anatin’izany. Mitohy hatrany, hoy ny mpikarakara, ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fihenam-bidy hatrany amin’ny 35% atolony amin’ny lafiny rehetra. Isan’izany ny Smartphone sy ny best sellers F1+4G amin’ny vidiny 139.000 ariary ary ny Telma legend amin’ny vidiny 19.000 ariary.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT