Toekarena

Orinasa Telma Hampindram-bola hanaovana fety


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Efa hatramin’ny taona 2010 no nanamaivana ny fahafaha-mamindra volan’ireo mpanjifany amin’ny alalan’ny tolotra MVola ny orinasa Telma,

 

 raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasa ity. Amin’izao ankatoky ny fety izao indray kosa dia tapa-kevitra ny orinasa fa hampindram-bola ireo izay mpanjifany mila izany mba hanaovan’izy ireo fety sambatra. Manomboka amin’ny 1000 ariary ka hatramin’ny 500.000 ariary moa, raha ny fanazavana, izay vola azo indramina izay amin’ny alalan’ny tolotra “MVola avance”. Ankoatra izay, nomarihin’ny Telma fa mitohy hatrany ny fanamorana ny fifanoloran’ireo mpanjifa vola amin’ny alalan’ity Mvola ity. Ny #111*1# kosa no hakana ny fanazavana fanampiny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT