Toekarena

Orinasa Telma 73 tapitrisa USD no narotsaka tamin’ny fotodrafitrasa


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Araka ny fanadihadiana nataon’ny vovonana mpanadihady, Speedchecker, dia ny orinasam-pifandraisan-davitra, Telma, hatreto no mahasahana izay lafin’ny fifandraisan-davitra sy ny tontolony izay indrindra eto Madagasikara,

 hoy ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ity orinasa ity. Fanadihadiana tontosa teo anelanelan’ny volana oktobra sy novambra 2021 moa no nahafahana namoaka izany, hoy ny fanazavana. Misahana fanadihadiana manerana izao tontolo izao ny Speedchecker . Nanasongadina ny elanelana misy eo amin’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra hafa eto an-toerana ny tatitra nataon’ity fanadihadiana ity farany, izay nilazany fa avo 3 heny noho ny an’ireo hafa ny hafainganam-pandehan’ny tolotr’ity orinasam-pifandraisan-davitra voalaza teo ity. Miantoka ny fifandraisana na “connexion” an’ny 85%n’ireo faritra lavitra andriana eto amin’ny nosy rahateo izy. Nitentina 73 tapitrisa USD ny tetibola narotsaky ny Telma tany amin’ny lafiny fotodrafitrasa ny taona 2020 ary isan’ny nifantohana indrindra tamin’izany ny lafiny rohy an-dranomasina na “fibre optique marine”. Vokatr’izany dia laharana faha 7 aty Afrika eo amin’ny lafiny hafainganan’ny tolotra na “téléchargement” ankehitriny ity orinasam-pifandraisan-davitra ity. Araka ny fanazavana voaray hatrany moa dia ity orinasa ity koa sisa izao no tena miantoka ny fifandraisana an-tambazotra manerana ny nosy amin’ny alalan’ilay antsoina hoe “eassy tulear” sy “metiss fort dauphin”.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT