Toekarena

Orinasa Startimes 30.000 ireo mpanjifany eto Madagasikara


  • Talata 08 Aogositra 2017

Efa mahatratra hatrany amin’ny 30.000 isa ireo mpanjifan’ny orinasa Startimes eto amintsika amin’izao fotoana izao raha ny 90 %-n’ny faritra 22 no efa voarakotr’izy ireo.

Mbola hitohy hatrany izany ka ankoatra ny  fanaparitahana ireo horonan-tsary mihetsika miisa 17 sy andian-tantara Sinoa 400 amin’ny fiteny Frantsay aty Afrika ahitana an’i Madagasikara, Zambia, Mozambika ary Kenya dia hanatanteraka tetikasa goavana hahafahan’ireo olona any ambanivohitra mijery vata fahitalavitra maimaim-poana ihany koa izy ireo.  Amin’ny alalan’ny Startimes no hanatanterahany izany ato anatin’ny 12 volana. Omaly no nampahafantarana tamim-pomba ôfisialy ny fisian’ izany tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy, notarihin’ny mpanolotsain’ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara sy ny sekretera jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny seraseta sy ny Fifandraisana   Atoa Ramanakamonjy Guy Laurent. Ankoatra ireo firenena telo ireo dia fantatra fa anisan’ny hahazo tombontsoa manokana amin’ity tetikasa  ity isika eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ilay village television numérique no hanatontosana izany ka toerana 500 ho antsika eto Madagasikara no hiantefan’ny tolotra raha 10.000 kosa aty Afrika. Tsy misy ny vola aloha amin’izany raha araka ny fantatra fa any amin’ireny ivon-toerana toy ny sekoly ireny no hapetraka ny vata fahitalavitra sy ny décodeur saingy tsy maintsy misy tokantrano 160 isa kosa raha kely. Ny governemanta Sinoa avokoa no hiantoka ny lany rehetra amin’izany eny fa na dia any amin’ireo tanàna tsy misy jiro aza. Tsiahivina moa fa ny volana Desambra 2015 no tonga voalohany teto amintsika ny Startimes. Firenena  37 maneran-tany no efa misy azy, misy mpanjifa mihoatra ny 10 tapitrisa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT