Toekarena

Orinasa Socolait Miezaka manome lanja ny vokatra tena Malagasy


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Miezaka manome lanja hatrany ny vokatra tena malagasy ny orinasa Socolait. Tsy manafatra akora avy any ivelany intsony izy ireo ankehitriny fa miaina amin’ireo ronono vokariny eto an-toerana toy ny ao Antsirabe.

 

 

 Ny hahafahana miaro ny fahasalaman’ireo mpanjifa no antony, hoy Atoa Andriamarolahy Mickael sady hanampiana ireo tantsaha mpamokatra ihany koa. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ilay vitrine de l’industrie tanterahina  etsy amin’ny parvis hotel Analakely izy ireo nanomboka omaly. Tanjon’ny orinasa ny mampahafantatra hatrany ireo karazam-bokatra misy ao aminy izay marihina fa tsy mitsaha-mitombo ankehitriny. Anisan’ny vaovao be ohatra ny yao frizz  izay azon’ny ankizy madinika hatao ody vavony tsara…Tranoheva manodidina ny 60 isa no mandray anjara amin’ity vitrine de l’industrie etsy  Analakely ity izay nomarihin’ny minisitra Guy Rivo Randrianarisoa fa natao fanampiana sy hanosehana ireo mpandraharaha eto amintsika  hitrandraka sy hanome lanja ny tena Malagasy ho tombontsoan’izy ireo. Malagasy daholo ny 99 %-n’ireo mampihodina ny orinasa Socolait

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT