Toekarena

Orinasa Sirama Mila vatsiana fitaovana


  • Zoma 22 Febroary 2019

Taorian’ireny fanambarana nataon’ny mpiasan’ny SIRAMA nisesisesy ny amin’ny tsy fahazotoana miara-miasa amin’ny Kaompania Vidzar sy ny fangatahana tolobidy lavitry ny kolikoly ireny, dia efa nisy ny solontenan’ny fanjakana nijery ifotony ny raharaha.

 

 

Nambaran’ireo mpiasan’ny Sirama indray omaly fa tokony ho laharam-pahamehana ny famatsiana azy ireo fitaovana ary tsy maintsy ampiana ny mpiasa raha misy ny tolobidy vaovao. Tsy mandeha avokoa, hoy izy ireo, ny ankamaroan’ny fitaovana misy ao noho ny fitantanana tsy mahomby, indrindra tamin’ny fidiran’ny Kaompania Vidzar tanatin’ity orinasa ity. Nahavita namokatra sady nihodina be ny orinasa tamin’ny taona 2005, hoy hatrany izy ireo saingy nikorosofahana, 4 taona taty aoriana. Mbola mitaky hatrany ny fanesorana ny kaompania Vidzar ny mpiasa ary mitaky fandraisan’andraikitra amin’ny fanjakana hanafay ireo olona nanao kolikoly rehetra tao, indrindra ny fanomezana fitaovana vaovao hiasana

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT