Toekarena

Orinasa SECREN Nambara fa hovahana ny olana


  • Talata 07 Septambra 2021

Tonga eto an-drenivohitra ny delegasiona avy any amin'ny orinasa SECREN S.A ahitana ny Tale Jeneraly Ntsay Abel, ireo mpikambana eo anivon'ny filankevim-pitantanana ary ny solotenan'ny mpiasa miisa 11,

 hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Nisy avy hatrany ny dinik'asa notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy niarahan'izy ireo tamin'ny ministra Edgard Razafindravahy. Nanotrona azy amin'ny fandrosoana vahaolana ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatanty Paubert. Nambara fa misy ny drafitra ao anatin'ny fohy ezaka hamahana maika ny olana misy ankehitriny amin'ny fanefana ny karaman'ny mpiasa. Tsy maintsy hisy koa anefa ny drafitra maharitra hanavotana ny orinasa. "Manana ny lanjany ary manana ny hasiny any amin'ny faritra Antsiranana ny orinasa SECREN koa rariny raha mitondra ny anjara birikiny ny Fanjakana hanampiana ny orinasa amin'ny fiverenany amin'ny asa famokarana indray." hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Nambaran'ireo Minisitra roa tonta fa hidina any ifotony izy ireo amin'ity herinandro ity ho fanohananan'ny fitondram-panjakana ny orinasa SECREN.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT