Toekarena

Orinasa Rio Tinto QMM Hampiasa angovo azo havaozina, hamatsy an’i Taolagnaro


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

Mikendry sy mametraka tanjona amin’ny hananany fahaleovan-tena amin’ny angovo ny orinasa Rio Tinto QMM ao

Taolagnaro manomboka izao hatramin’ny taona 2023. Amin’ny alalan’ny fampiasana angovo azo havaozina amin’ny alalan’ny rivotra sy ny herin’ny masoandro io, ka eo ny angovo hampiasain’ny orinasa fa tanjona ihany koa ny hisitrahan’ny tanàna ao amin’ity Renivohitry ny Faritra Anôsy ity. Hisy ny fifanaovan-tsonia ho fiaraha-miasa eo amin’ny QMM sy ny Minisiteran’ny angovo ary ny Crossboundary Energy anio alatsinainy 26 jolay. Voalaza ihany koa etsy andaniny, fa ny tanànan’i Taolagnaro no tena hisitraka izany voalohany mba hanamafisana ny famatsiana herinaratry ny jirama ahafahana mampihena ny sandan’ny herinaratra any an-toerana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT