Toekarena

Orinasa QMM Manana ny fomba fiasany mandritra ny fihibohana


  • Zoma 15 Mey 2020

Tahaka ireo orinasa matanjaka rehetra dia misy ny lamin’asa eo anivon’ny orinasa mitrandraka fasimainty Quit Madagascar Minerals (QMM). Tahaka ireo orinasa matanjaka rehetra dia misy ny lamin’asa eo anivon’ny orinasa mitrandraka fasimainty Quit Madagascar Minerals (QMM).

 

 

Fandaminana no napetraka hitohizan’ny asa kanefa manaja ihany koa ny fitandrovana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny asa mbola misy izy ireo. Na izany aza dia efa mikatona tanteraka ny birao eto Antananarivo ary saika miasa any an-tokantrano avokoa ny mpiasa. Misy ihany koa ireo ekipa ao amin’ny sehatra famokarana no efa natokan-toerana Amin’izao fotoana izao dia misy ny fifanekena hamoronana fiaraha-miasa amin’ireo trano fandraisam-bahiny hitsinjovana hatrany ireo mpanjifa ary hitazomana ireo mpiasa. Tsy azo odian-tsy hita ny orinasa satria ny fanjakana Malagasy dia manana petrabola 20% ao. Tsy maintsy hatao ny ezaka rehetra mba hahafantarana ny vokatry ny fitrandrahana sy ny tombontsoa nentin’ity natao ity teto amin’ny firenena nandritra izay 21 taona niasany teto izay. Atao izany rehetra izany hanatsarana ny famokaran’ny orinasa hahatsara ny toekarena na dia ao anatin’ny fanajana tanteraka ireo fepetra rehetra napetraka aza ny orinasa .

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT