Toekarena

Orinasa Publi motion Hanome “Lanterne” maimaimpoana ho an’ny Taxi


  • Talata 19 Septambra 2017

Niteraka savorovoro teo amin’ny tontolon’ny fitaterana am-piarakaretsaka hatrany nanomboka tany amin’ny faran’ny volana martsa ka hatramin’izao ny mikasika ny fampiasana ilay lanterina vaovao izay tao anatin’ny vinan’asan’ny fiadidian’ny kaominin’Antananarivo (CUA) mba hanatsarana ny endriky ny renivohitr’I Madagasikara.

 

Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ity orinasa ity dia ny fikambanan’ireo mpitatitra am-piarakaretsaka (FTAR) sy ny CUA ary ny Publi motion mihitsy no niara-namolavola ny tetikasa nanomboka ny desambra 2016 ary samy nankato io lanterina misy dokambarotra io ny 3 tonta. Noho ny olana teo amin’ny resaka fitsirihana fiara (contre-visite) anefa ny 28 martsa teo dia naato ny fizarana izany na dia efa nisy taxi miisa 20 teo aza nozaraina ny fiandohan’io volana io. Tsy nisy nidiranay, hoy izy ireo, ny tsy fifanarahana teo amin’ny FTAR sy CUA fa rehefa nomena baiko indray izahay hanohy ny fizarana ny 31 martsa dia niverina nizara.

Maimaimpoana ny fizarana sy fanoloana

Noho ireo savorovoro nisy moa dia nanapa-kevitra ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa avela ho mahaleotena amin’ny asany, izany hoe tsy fatoran’ny fifanarahana amin’ny CUA intsony ny Publi-motion, raha ny fanazavan-dRajaonarison Solofoniriana, mpandrindra ao amin’ny orinasa. Tsy misy olana akory ny fiarahanay miasa amin’ny CUA. Niverina nizara lanterina indray izy ireo, noho izany, ny herinandro teo ary rehefa nahita fa mbola tsy ampy moa ny fanentanana dia nampahafantatra ireo tombony azo amin’ny fampiasana ity lanterina ity tamin’ny haino aman-jery tetsy amin’ny biraony etsy Ankorondrano izy ireo omaly. Anisan’ny tombony goavana, hoy izy ireo, ny fizarana azy ity maimaimpoana ary fanampin’izay dia mbola hotolorana 30.000 ariary isaky ny 4 volana koa izay manaiky hitondra azy. Raha misy ny fahasimbany dia afaka manatona ny orinasa ary maimaimpoana koa ny fanamboarana. Tsy marina ny filazana fa rehefa misy fahaverezan’ilay lanterina dia manolo ary mandoa 300.000 ariary fa afaka manao fanambaram-pahaverezana any amin’ny polisy kosa ary mahazo maimaimpoana indray avy eo. Tsy voasakan’ny polisy ihany koa izay hitondra azy io satria fantatra avy hatrany fa ara-dalàna.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT