Toekarena

Orinasa mpandoa hetra Ezahana hahatratra 2.000.000 raha mbola 480.000 ankehitriny


  • Alarobia 25 Aogositra 2021

Tontosa omaly tetsy Anosy ny fampahafahantarana ofisialy ny fahafahan’ireo orinasa rehetra manomboka any amin’ny orinasa vaventy ka hatrany amin’ny madinika indrindra

 mandoa hetra amin’ny alalan’ny finday na ny antsoina hoe “E-Hetraphone”. Azo hanatontosana azy io avokoa ireo tambazotram-pifandraisan-davitra miisa 3 eto Madagasikara, hoy ny fanazavan’ny minisitry toekarena sy ny tetibola, Rindra Rabarinarison. Fomba iray entina mandoa ny hetra tambatra izy ity, araka izany, hoy ny tale jeneraly misahana ny hetra, Germain. Natao hialana tsikelikely ihany koa amin’ny fifampikasohana amin’ny samy olombelona, hoy izy, ho fiaraha-miasa amin’ny ivon-ketra rehetra manerana an’I Madagasikara. Tsy mbola foana aloha amin’izao voalohany izao ny fandoavan-ketra eny amin’ny ivon-ketra. Entanina kosa anefa ny mpandoa hetra mba handoa ny hetrany amin’ny alalan’ity “E-Hetraphone” ity. Tsy misy sarany, hoy hatrany ny fanazavany, ny fandoavana izany amin’ny alalan’ny finday. Tombanana hahatratra any amin’ny 2.000.000 any moa ny isan’ireo mpandoa hetra voalaza teo hatramin’ny taona 2023. 480.000 ankehitriny ireo voaisa ho mpandoa hetra. Tanjona ny hampiakarana ireo sehatra tsy ara-dalàna mba hiditra amin’ny ara-dalàna afaka 2 taona, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Hetra.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT