Toekarena

Orinasa mpampindram-bola madinika Manadihady aloha vao manaiky fanemorana fandoavam-bola


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Ireo manao asa tena no voa mafy ary tafiditra anaty krizy ankehitriny araka ny fanazavana voaray teny amina orinasa mpampindram-bola madinika iray.

 

 

 

Efa maro tamin’izy ireny no nasaina nandalo ary nanao taratasy ny amin’ny tokony hamerenana tsikelikely ny vola sy ny fanemorana ny daty fandoavam-bola. Na izany aza dia tsy maintsy hohamarinin’ny mpiasa avokoa ireo fikatsoana rehetra misy tahaka ny hoe varotra tsy mandeha tahaka ny teo aloha na hoe tsy maharaka ny vola tokony haloa intsony ny mpanjifa. Eo ihany koa ohatra ny fialan’ny mpanofa trano ho an’ireo mpampanofa trano, sns. Safobemantsina ihany ny fanambaran’ny filoham-pirenena ny amin’ny fanemorana ny vola aloa amin’ny Banky sy ny Orinasa mpampindram-bola madinika fa arakaraky ny zava-misy ihany ny hanekena ny fanemorana fandoavam-bola izany araka ny fanazavana hatrany.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT