Toekarena

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa


  • Zoma 10 Aprily 2020

Nanentana ny mpanjifany ireo Orinasa mpampindram-bola madinika (IMF) ny mba haka vola amin’izay tena sahaza fa tsy hanao mihoatra ho fifampitsinjovana.

 

 

 

Tokony tsy hiandrasana ela be ihany koa ny fandoavam-bola mba tsy hisavovona be ka hanempotra indray ny mpanjifa hoy izy ireo fa rehefa misy dia tsara raha arotsaka avy hatrany. Ankoatran’ireo Banky lehibe izay efa miroso amin’ny fanekena fanemorana ny fandoavam-bola isam-bolana hatramin’ny 2 na 3 volana farafahaelany arakaraky ny zava-misy sy ny fifampiresahana dia efa manao izany ihany koa ny IMF. Tsiahivina fa ireo manao asa tena sy orinasa madinika no tena mpanjifan’ny IMF kanefa iaraha-mahita ny zava-misy fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fitadiavam-bolan’ireny ankehitriny. Ho sarotra ny fandidiana atsy ho atsy satria amin’izao fotoana izao aza dia efa filaharana be ny eny Banky sy ny IMF ary maro amin’ny mpanjifa no mangataka fanemorana fandoavam-bola hatrany amin’ny 3 volana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT