Toekarena

Orinasa mpamokatra savony Mikaikaika amin’ireo mpifaninana tsy ara-dalàna


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Mikaikaika ny amin’ny fisian’ireo mpifaninana tsy ara-dalàna mampiditra entana eto amintsika ny ankamaroan’ny orinasa Malagasy.

Ho an’ireo mpamokatra savony sy ny vovo-tsavony, ohatra, dia betsaka ireo  mpifaninana  tsapan’izy ireo fa  tsy manara-penitra akory zava-bitany saingy tafiditra malalaka eto amintsika sady  miparitaka etsy sy eroa ny vokatra vokariny. Ankoatra izay, raha 20 % ny hetra nalaina tamin’izy ireny tamin’ny taona 2012,  raha araka ny fanazavan-dRamaroson Thierry, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny orinasa Savonnerie tropicale dia nampidinina ho 10 % ankehitriny izay hahazoan’ireo mpanafatra entana tombony 50 % be izao. Miantso ny fanjakana mba hijery mikasika ity fifaninanana tsy ara-dalàna ity izy ireo. Nomarihiny fa efa nisy ihany ny fepetra noraisin’ny fanjakana saingy mbola tokony hanaovana ezaka bebe kokoa. Lohalaharana amin’ireny ny fampiharana ny lalana mikasika ny fenitra momba ny savony sy ny vovo-tsavony izay tena misy eto amintsika tokoa saingy ny fanatanterahana azy no tsy misy.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT