Toekarena

Orinasa mpamokatra lafarinina Inona marina no tena tanjona ?


  • Zoma 20 Novambra 2020

Inona marina no antony nametrahana io ozinina io ao Toamasina ? Toerana tsy

 

 

 

misy tamingana voly blé (varim-bazaha) na iray aza any, fa any Vakinankaratra no mamboly an’ ireny amin’ny ankapobeny. Sao lahy ka lafarinina efa vita avy any ivelany no amboamboarina sy atao anaty gony ao, dia mody hoe namokatra isika. Lafarinina 800 taonina hatramin’ny 1200 taonina isan'andro izany moa atao inona daholo? Tsy lanin'ny Malagasy io, fa hisy izany ny fanondranana mazava ho azy satria ny antsika mbola vary aloha no fototsakafo fa tsy mofo sy vokatra avy amin’ny lafarinina. Miandry ilay fihenana 15% eo amin’ny vidiny kosa ny Malagasy hoe ho tanteraka tokoa. Famokarana goavana izany no hatao. Asa na fifandrifian-javatra fotsiny ihany amin’ny fitsanganan’ity ozinina g vana ao Toamasina ity fa dia nofoanana ny fandoavan-ketra (TVA) amin’ny fanafarana “blé” na varim-baazaha  ao anatin’ilay volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra 2021(PLFI 2021). Matoa miditra amin’izay, dia hanafatra blé faran’izay betsaka isika ary tsy ho tataovan-ketra. Kajikajy mety nahatonga ilay 15% lazaina fa fihenan’ny vidin’ny lafarinina io angamba ny hoe nesorina ny TVA 20% araka ny PLFI 2021. Mbola manana “marge” 5% izany ny orinasa, mety hoe famokarana sy fitaterana, ka tokony ho azo atao tsara ny fihenana 15%. Varim-bazaha miala TVA 20% izany no ho tonga amin’ny sambo ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Fanomezana tombodahiny orinasa vahiny iray aloha izany no heverina fa tena kajy ao anatin’io taorian’ny nandrodanana hatramin’ny faran’ny ny orinasa lehibe ana Malagasy namokatra dibera, lafarinina, menaka, tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Na izany aza, zava-dehibe ny fitsanganana orinasa goavana, izay hirariana ny hisian’ny vokatra ara-tsosialy, toy ilay fidinana 15%. Maro ihany koa raha dinihina amin’io ny orinasa tokony homena fanalefahana ara-ketra, indrindra fa ireo mpanafatra entana  ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT