Toekarena

Orinasa misehatra amin’ny asa vaventy sy fanorenana Mikaikaika amin’ny zana-bolan’ny banky


  • Zoma 10 Mey 2019

Lafo loatra ny zana-bola alain’ireo banky ka mahafaty antoka nefa tsy maintsy mindram-bola raha te hivelatra, hoy ireo orinasa vaventy, salantsalany ary ireo madinika misehatra amin’ny fanorenana sy ny asa vaventy.

 

 

 

 Mananosarotra ihany koa ny fahazoana findramam-bola, hoy ireo orinasa mivondrona anatin’ny sendika SEBTP. Manoloana izany indrindra dia nihaona niady hevitra omaly alakamisy 9 mey ireo banky sy ny SEBTP niara-nikaroka ny hametrahana rafitra hanamorana ny fiaraha-miasa teo ambany fanohanan’ny Vondrona Eoropeanina anatin’ny fandaharan’asa PROCOM. Tanjona ny hitady vahaolana hampandrosoana ireo orinasa misehatra amin’ny asa vaventy sy ny fanorenana miaraka amin’ireo banky mpamatsy vola ankehitriny. Tsy ny lalam-barotra mantsy no olana, hoy ireo orinasa ireo fa ny vola hoentina manantanteraka ireo asa ka ilana ny fampindramam-bola ataon’ny Banky. Amin’izao fotoana dia efa mahatratra hatrany amin’ny 20% mihitsy ny zanabola alain’ny Banky. Vitsy anefa ny orinasa mahavita tombombarotra mihoatra izany. Andrandraina tamin’izao fihaonana mbola hanamarihana ny andron’i Eoropa izao ny hahafahana mampihena ny zana-bola mba hitondra fampiroboroboana ireo orinasa ireo. Manoloana ny fisokafan’ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona eoropeanina dia velom-bolo ireo mpisehatra amin’ny asa vaventy sy fanorenana ankehitriny ary manantena izy ireo fa hisy akony mivaingana amin’ireo seha-pihariana ataon’izy ireo izany.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT